olon-kendry sy fahamatorana

Nampidirin'i andria | 4 Mey, 2009

Andriamatoa Rakotonirina Manandafy

Lehiben’ny MFM

Tompoko,

Olona vitsivitsy mpianatra tao amin’ny Faculté des Lettres izahay izao manoratra aminao izao.

Tamin’ny 2002 dia nanazava tamin’ny mpianatra tao ianao momba ny lova navelan’ny frantsay ho antsika malagasy, indrindra momba ny fanaovana politika.

Ambaranay, Tompoko, fa tamin’ny ambangovangony no nahatakaranay ny nambaranao tamin’izay, momba ny Padesm, ny adim-poko, ny fampiadiana finoana nataon’ny mpanjanatany. Fa tsy dia azonay loatra ny tianao hahatongavana.

Ny antony dia satria, na dia mbola kely aza izahay tamin’ny 1991 dia nahare ny resaka politika tamin’izany: nafantoky ny raiamandreninay tao an-dohanay ny fankahalàna anao tamin’ny lainga sy fanosoram-potaka isan-karazany, ny fanilikilihana ny antokonao.

Ny lehibe indrindra tamin’izany dia ny hoe “mpamadika”, “voavidin-dRatsiraka”. Tsy azonay satria, nanjavozavo na dia tamin’ireo raiamandreninay aza, ny anton’ny nandavanao sy ny antokonao tsy ho eny Iavoloha, ny tsy nanekenareo ny Governemanta Tetezamita natsangan’i Pr Zafy sy ny Gal Rakotoarison.

Izany tako-maso izany no tsy nahazoanay ny zavatra nokendrenao tamin’ny fanazavàna nataonao taminay tamin’ny 2002.

Ankehitriny dia resy lahatra tanteraka momba ny voalazanao tamin’izay izahay.

Mitamberina koa ny tamin’ny 91 rehefa nanomboka nisokatra ny sainay ka nanadinkadina ny raiamandreninay sy ny manodidina indray izahay.

Hay ianao io, Tompoko, dia olona tena tia tanindrazana. Hitanay, tsapanay, iainanay isan’andro izany amin’izao fotoana izao.

Tsy tia ny hifandratràna na hifamonoan’ny samy Malagasy ianao. Tsy manaiky ny fanjakàn’i Baroa atsangana eny an-dalambe ianao. Tena te-hiroso marina amin’ny demôkrasia ianao. Tena miasa mafy ho an’ny firaisam-pirenena ianao. Nolazaina taminay koa aza fa ianao no namosa-kevitra voalohany momba ny famoronana asa hiadiana amin’ny fahantràna. Isan’ireo fanevam-pirenena mikaro-dalana hialàna amin’ny vahoho napetraky ny frantsay ho lovantsika ianao.

Ankehitriny dia ny fahendrenao, Tompoko, no sisa antenainay hivoahan’ity Tanindrazana Malalantsika ity amin’izao kizo nampidiran’ny sasany azy izao.

Matoky anao izahay ary mirary indrindra mba ho “ny vato narian’ny mpanao trano no ho tonga fehizoro”.

Misaotra, Tompoko.

Antananarivo faha-2 avrily 2009

Mpianatra taloha tao amin’ny Faculté des Lettres et Sciences Humaines